Prendre contact
Lot VF 60 Mahamasina Nord – Antananarivo 101, Madagascar
craad.madagascar@gmail.com
Ph: +261 32 60 343 61

Ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola 2023 : famarotana tsy mitonona anarana ny Tany izay Vakoka-sy-Lovam-pirenena eto Madagasikara ?

Ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola 2023 :

famarotana tsy mitonona anarana ny Tany izay Vakoka-sy-Lovam-pirenena eto Madagasikara ?

 Ity fanambarana faharoa ity momba ny fotoam-pivorian’ny Solom-bavam-bahoaka sy Loholona nanomboka ny 2 mey 2023 teo dia mifantoka amin’ny fanavaozana ny lalàna momba ny fampiasam-bola izay singa fototra fametrahana fitsipika sahaza ho an’ny fandaminana ny fampiasam-bola izay sady hiantoka ny fanajàna ireo zo maha-Olombelona sy ireo lalàna manan-kery eto Madagasikara no hametraka tontolo mahafa-po ho an’ny fampiasam-bola mivantana avy any ivelany sy avy eto an-toerana.

Nanomboka tamin’ny taona 2007, ny lokan’ady fototrin’ny lalàna momba ny fampiasam-bola dia mikasika ny fahazoana na tsy fahazoan’ny orin’asa izay ny renivolany dia vola vahiny no betsaka indrindra mividy tany mba ho tompony tanteraka (1) eto Madagasikara, nefa ny lalàna manan-kery eto dia mandrara ireo olona tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy ho lasa tompon’ny tany.

Ny fifanekem-panofàna tany maharitra ho 99 taona dia mira sy midika varotra

 Ny andininy faha-18-n’ny volavolan-dalàna mitondra ny lohateny hoe « Fahazoan’ny vahiny mpampiasa vola mizaka ny zo amin’ny fananan-tany » dia mandidy fa « Ny tera-tany vahiny na ara-fizika na ara-moraly dia tsy afaka mizaka mivantana ny zo amin’ny fananan-tany. Afaka anefa izy (ary tsy ilàna fahazoan-dalana mialoha izany) miditra amina fifanekem-panofàna manan-kery hatramin’ny 99 taona, azo havaozina araka ny fepetra faritan’ny lalàna mifehy izany. Ireo orinasa voafehin’ny lalàna Malagasy fa ny fitantanan’azy dia eo ambanin’ny fanarahamason’ny vahiny, […] na rafitra miankina any ivelany […] dia afaka miditra amin’ny fifanekem-panofàna azo havaozina araka ny lalàna manan-kery. »

Ny andininy faha-19 dia mikasika ny « Fametrahana ho antoka ataon’ny Fanjakàna amin’ny fikarakarana momba ny fizakàna tany sy ny fiarovana izany » ary manindry fa […] « ny Fanjakàna dia mametraka ho antoka hanamora sy hiaro ny fizakan’ny mpampiasa vola tany amin’ny alalan’ny fampijoroana faritra manokana hatokana ho amin’ny fampiasam-bola. Ireny tany ireny dia ho eo ambany fiadidiana fitsipi-dalàna manokana ».

Ny fanaovan-tsonia fifanekem-panofàna hanan-kery hatramin’ny 99 taona dia midika fa ny tany voakasik’izany dia tsy ho azo sitrahan’ny taranaka Malagasy telo (3) mifanesy. Satria ny fifanekena dia azo havaozina ary ny lalàna Malagasy laharana 96-016 tamin’ny 13 aogositra 1996 momba ny fifanekem-panofana dia tsy mametra ny isan’ny fanavaozana azo atao, ny fampanofàn-tany dia mety haharitra zato taona maro. Araka izany, ilay fifanekem-panofana 99 taona dia ho mira tena varotra raha ny fijerin’ny vahoaka Malagasy azy, satria ny mpanam-bola tafiditra amin’izany dia tsy handoa vidin-tany fa hofany, izany hoe amin’ny haavony mora be mihoatra amin’ny tena vidiny ara-bola sy araka ny hasiny ary koa mihoatra amin’ny fahafaha-mividin’ireo mpampiasa vola ireo.

Ankoatr’izay dia ahitana andininy maro momba ny fahavononan’ny Fanjakana malagasy amin’ny fanesorana ny zo maha tompon’ny tany (expropriaton) ny volavolan-dalàna. Ny teny hoe “expropriation”anefa dia ampiasaina manokana ho an’ny fakàna ny tany efa manana tompony, noho zany io zava-misy io dia manamafy ny hevitra ampitaina amin ity lahatsoratra ity fa ny mpampiasa vola vahiny dia afaka ho lasa tompon’ny tany tanteraka.

Fanampin’zany, ireo fanambaràna rehetra mifandraika amin’ity volavolan-dalàna ity dia manizingizina mafy ny fitsipiky ny fitovianaeo amin’ny mpampiasa vola nasionaly sy vahiny, ary ny tolo-kevitry ny andrim-bola iraisam-pirenena tamin’ny Desambra 2021, izay nomelohinay tamin’ny famoahana an-gazety mitondra ny lohateny hoe : « Mikendry ny hampihena ny fahantran’ny Malagasy marina ve ireo mpandraharaha ara-bola iraisam-pirenena sa ny mifanohitra amin’izany ? » (2), dia naneho mazava tsara :

  • ny fampihenana ny “tombontsoa tsy ara-drariny azon’ny orinasa sasany eto an-toerana“,
  • ny fandaniana lalàna momba ny fampiasam-bola (loi sur les investissements) izay “mampifanaraka ireo lalàna sy didy isankarazany […], fepetra tena ilaina ahafahana manamafy ny fahatokisan’ny mpampiasa vola
  • ary ny fanafainganana ny “fanavaozana ny lalàna” (réformes) izay hamporisika ireo orinasa vaovao hanori-ponenana, anisan’ny voatanisa ny “famindram-pitompoana fananana” (3)
  • ny fahafahan’ny orinasa ho lasa tena tompony, “tsy afaka mahazo tany amin’ny fomba maharitra ny vahiny, ary tsy manome antoka ampy ho an’ny fampiasam-bola maharitra ny rafitra fanofàna.”

Ka nanao tolokevitra izy

  • momba ny “fanavaozana ny rafitra momba ny lalàna sy ny lalàna lasitra mifehy ny fandaminana araka ny faritra (zone), mba hampazava ny fombafomba mifandraika amin’ny faritra natokana ho an’ny mpampiasa vola (zones d’investissement), anisan’izany ny faritra fampiasam-bola amin’ny fambolena

sy ny fandaniana lalàna momba ny tanin’olon-tsotra vita titra, izay mikendry ny hanamora ny fombafomba mikasika ny famindràna tany sy hamorona ny fahafahana mahazo tany”(3)

Noho izany, ny volavolan-dalàna dia tena maneho ny finiavana hivarotra tany na dia tsy lazainy mivantana aza izany sy tsy tononiny anarana. Hatramin’ny taona vitsy lasa izay, ny fitazonana ny fomban-drazana mifandraika amin’ny fandraràna ny fivarotana tany amin’ny vahiny, izay fomban-drazana miorim-paka lalina ao anatin’ny kolontsaina, dia niseho tamin’ny alalan’ny fanambarana mafonja nataon’ireo mpitondra ambony sasany izay nanamafy fa tsy hivarotra ny firenena amin’ny vahiny, satria heverina ho tena mivarilavo izay manao izany.

Manoloana ny fanomezan’ny Fanjakana antoka fa « hanamora sy hiaro ny fahafahan’ny mpampiasa vola hanana tany amin’ny alalan’ny fametrahana faritra atokana manokana ho an’ny fampiasam-bola, dia mampitodika any amin’ny lalàna momba ny tany manana sata manokana ny volavolan-dalàna. Ny volavolan-dalàna mahakasika izany anefa dia notsipahan’ny fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena tamin’ny taona 2020 sy 2022 noho ny fahamaroan’ny andininy mifanohitra amin’ny tombotsoan’ny olom- pirenena sy ny vondrom-piarahamonina ifotony na ny « Fokonolona » (4).

Ankoatra ity lokan’ady mavesa-danja mikasika ny fananan-tany ity, inona kosa no nampahafantarin’ny famakiana ilay volavolan-dalàna izay niadian-kevitra tao amin’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny faha-9-n’ny volana mey ? (5)

Ny mpanao gazety no efa nampahafantatra antsika fa nasaina hanatrika ny adihevitra teo amin’ny solombavambahoaka ny mpandraharaha (5), tsy nasaina kosa na ny fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena na ny solontenan’ny fokonolona. Mampiseho izany fa tsy najaina ny zon’ireo sokajin’olom-pirenena ireo handray anjara sy ho tafiditra amin’ny fitambaran’ny fanapahan-kevitra rehetra mifandraika amin’ny fampiasam-bola : ny tantsaha izay mandrafitra ny 80%-n’ny Malagasy dia tsy raisina ho mpampiasa vola na dia manao investissement aza. Teo andaniny kosa, ny volavolan-dalàna dia manome zo maro be ho an’ny mpampiasa vola (jereo ny andininy faha-3 ka hatramin’ny faha-7, faha-17 ka hatramin’ny faha-21) izay, amin’ny lafiny iray, tsy misy fepetra momba ny hametrahana rafitra fandinihina sy fanaraha-maso mahomby amin’ny fiaraha-monina mampandray anjara ny mpiara- monina izay voakasiky ny tetikasa fampiasam-bola mivantana. Manaraka izany, ny lahatsoratra dia tsy ahitana fepetra mifandraika amin’ny fametrahana fitambarana sazy ho an’ireo mpampiasa vola izay nandika ny fitsipika, na koa rafitra akaiky azy azon’ny vondrom-piarahamonina itodihana mba hiatrehana izay olana mifandraika amin’ny tetikasa fampiasam-bola.

Fanampin’izany, ny volavolan-dalàna dia tsy mampiditra ao anatin’ny adidin’ny orinasa ny fiantohana ny mangarahara sy ny fahafahan’ny daholobe manakatra ny andinidininy rehetra momba ny fandinihina sy fanaovana tombana momba ny fiantraikan’ny tetikasa fampiasam-bola eo amin’ny tontolo iainana sy ara-tsosialy (ESIA) ; ny fifanarahana; ny bokin’andraikitra; ny laminasa momba ny fitantanana ny tontolo iainana (PGEP) eo anivon’ny orinasa ; ny programan’ny fanomezana toky momba ny tontolo iainana (PREE); ny zava-bitan’ny mpampiasa vola, ny tatitra isan-taona sy ny antontan-taratasy mifandraika amin’ny toe-bolany, ao anatin’izany ny fampahalalana momba ny fandraisany anjara eo amin’ny hetra sy eo amin’ny anjara andraikitry ny orinasa eo amin’ny fiaraha-monina.

11 mey 2023

Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien (CRAAD-OI)

craad.madagascar@gmail.com ; http://craadoimada.com

Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy (Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY) patrimoine.malgache@yahoo.fr ; http://terresmalgaches.info ; www.facebook.com/TANYterresmalgaches ; @CollectifTany Sehatra Iombonana hoan’ny Fananantany – SIF

sif.fananantany@gmail.com ; https://www.facebook.com/SIFMADA/

Rakitra nakàna hevitra 

FR.pdf?MOD=AJPERES&CVID=nSi04A9

  • Mikasika ireo volavolan-dalàna momba ny tany manana sata manokana :

https://www.madagascar-tribune.com/Communique-des-organisations-de-la-societe-civile-sur-le-projet-de-loi-cadre.html et http://terresmalgaches.info/newsletter/article/newsletter-no182

  • https://midi-madagasikara.mg/investissements-la-nouvelle-loi-debattue-a-tsimbazaza/)
We use cookies to give you the best experience.